Zava-doza tsy fampiseho masoandro indray no nitranga tetsy Mahavoky Besarety omaly vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 6 ora.
Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anaty dabam-pako mantsy ny mpandroaka fako iray teny an-toerana tamin’io fotoana io. Rehefa nozahana ny tao anatiny dia zaza menavava mbola velona. Nisy olona tsara sitrapo monina eny amin' ny manodidina niezaka namonjy ny ain'ilay zaza teny, ka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana, ary nilaza mihitsy fa tsy homeny intsony io zaza io satria tsy niteraka izy, saingy tsy tana ny ain’ilay zaza. Araka ny loharanom-baovao iray teny an-toerana dia nampanirahina olona ny nanary azy tany amin’ny dabam-pako, saingy nanenina angamba ilay reny nahavanon-doza, ka nirahiny indray ilay vehivavy haka azy. Teo no tra-tehaky ny vahoaka, ary nisahotaka ny rehetra namono ity farany. Tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana naka azy, raha ny vaovao azo. Omaly, dia nentina teny amin' ny kaomisarian'ny boriborintany faha-3 io iraka io. Sesilany ny fanehoan-kevitra tamin’ity toe-javatra mampalahelo ity. Ny ankamaroan’ny olona dia samy nanozona sy nanome tsiny ilay reny nahavanon-doza, ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka mihitsy aza ny renin’ity zazarano nariana ity izay manodidina ny 20 taona. Efa maro ny hery velona toy ny fiangonana no nanao antso avo tamin’ny solombavambahoaka sy ny loholona ny tsy hanekena ny handaniana ilay volavolan-dalàna momba ny fahafahana manala zaza satria sady tsy mifanaraka amin’ny kolontsaina Malagasy no mety hitarika zavatra hafa satria tsy misy an’io aza efa izao no ataon’ny olona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.