Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Angarahara, distrikan’Ihorombe ny herinandro teo.
Zazalahy kely mpiandry omby iray vao 13 taona monja no nanomboka tsy hita ny herin’ny zoma lasa teo ka nifampitadiavan’ireo fianakaviany sy ny mpiara-monina. Rehefa nitohy ny fikarohana dia tao amin’ilay toerana antsoina hoe : Ankahikily no hita ny razana ny alahady teo tokony ho tamin’ny 5 ora hariva izay efa tsy nisy masony sy lela intsony. Nendahin’ireo tsy mataho-tody tsy nisy nahalalana ilay zaza intsony ihany koa ny hodi-tavany. Natahotra avokoa ny rehetra nanoloana izany. Tsy niandry ela moa ireo mpitandro ny filaminana fa avy hatrany dia nanao autopsie ny razana ka fantatra fa vono olona feno habibiana tokoa no nahazo ity zaza tsy manan-tsiny ity. Nambaran’izy ireo ihany koa fa olona efa tena manana traikefa amin’izany no namono an’Itompokolahy sady efa manana fitaovana manara-penitra ihany koa. Mitohy ny fitadiavana ireo nahavanon-doza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.