Actualités

Zazalahy 8 taona voadonan’ny 4x4 Nipotsaka ny atidohany


  • Sabotsy 31 Oktobra 2015

Handeha hianatra ity zazalahy kely tokony ho 8 taona ity no nofaohan’ny fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalana Sotema omaly zoma hariva tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, niaraka tamin’ny namany.

 

 

 Niampita arabe ilay zaza niaraka tamin’ny mpanatitra azy no nandalo tampoka ity fiara sady nandeha mafy. Tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana ka nandona zaza io. Notaritin’ilay fiara ilay zazalahy nipitika tokony ho folo metatra niala ny toerana nahavodona azy. Maty tsy tra-drano ary nipotsaka atidohany sy tapaka ny tananany an-kavanana. Raha ny fanazavan’ireo olona nahita ny loza, maika hanatitra mpianatra ity fiara ka nandeha mafy. Taizan-drenibeny i Mickael fa ny reniny mipetraka any ivelany izay tsy mbola mahalala ny loza nihatra amin’ny zanany. Matetika no nisehoana lozam-pifamoivozana io lalam-pirenena fahefatra io. Tsy ampy iray volana koa izay no nisy fiara fitateram-bahoaka roa nifandona teo amin’ny toerana io. Mila mandeha mora ireo mpamily satria dia efa vanim-potoana mahabe ny mpianatra izao.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT