Actualités

Zaza very teto Antananarivo Miisa 117 tao anatin’ny 8 volana


  • Alarobia 26 Aogositra 2015

Tafakatra 117 isa ny fitarainana zaza very voarain’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Anosy hatramin’ny fiandohan’ny taona no ho mankaty, raha araka ny fanazavan’ny officier principal de police Hassan Mouigni ;izany hoe zaza 14 isam-bolana

 

. Roa ka hatramin’ny 17 taona izy ireo ka ny ankamaroany dia zazavavy kely avokoa. Anisan’ny antony mahatonga izany, hoy izy ny olana misy eo anivon’ny tokantrano ka manosika ny ankizy hitsoaka, indrindra fa ireo mipetraka amin’ny raikely na ny renikely. Toraka izany koa ireo ratsy nataony any am-pianarana ka entin’ny tahotra dia lasa manaraka ny namany any amin’ny toeran-kafa saingy miverina ihany afaka roa na telo andro. Na izany aza anefa dia  ny 90%-n’ireo ankizy nanaovan’ny ray aman-dreniny fitarainana ireo no efa tafaverina avokoa ankoatra ireo 10 % izay mety efa hita ihany saingy tsy manao fampandrenesana ny ray aman-dreniny. Mety mihoatra avo roa heny noho io isa io kosa no fitarainana voarain’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalana, hoy hatrany officier Hassan Mougni. Manodidina ny 30 isa eo ho eo isam-bolana izany. Mikasika ireo zaza voalaza fa tena very kosa indray dia nambarany fa tsy voatery ho nisy nangalatra izy ireo fa niasa teto Antananarivo, ohatra, dia hampijalian’ny mpampiasa azy ary lasa mifindra toeran-kafa indray.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT