Actualités

Zaza tsy ampy taona mividy sigara Tsy azo atao, voararan’ny lalàna


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Tsy azo atao ary voararan’ny lalàna tanteraka ny maniraka zaza tsy ampy taona mividy sigara eny anivon’ireo toeram-pivarotana enta-madinika eto amintsika. Zary lasa adino tanteraka anefa izany ankehitriny, antony mampahazo vahana ny tsy fanarahan-dalàna sy ny gaboraraka misy eto amin’ny firenena.

 

 Ankizy ny 40 %-n’ireo mividy sigara eny amin’ireny toeram-pivarotana ireny, araka ny fanadihadiana natao tamina toeram-pivarotana iray etsy Anosy ka ny sasany dia mividy ho azy dia mifoka  mihitsy. Irahin’ny ray aman-dreniny kosa ny sasany. Antony mahatonga ny zaza hifoka sigara sy handray mahadomelina sahady ny fihetsiky ny ray aman-dreny, hoy Ramamonjisoa Haja, filohan’ny ONG  Ny Sahy miady amin’ny fidorahana mahadomelina. Heverin’ny ankizy fa tsara ka ianarany. Ny tena loza dia hirahiny handrehitra sigara ny ankizy ka lasa fahazaran-dratsy ho azy. Efa miezaka mitety ireo sekoly manerana ny Nosy ny ONG  Ny Sahy ankehitriny mampianatra ny ray aman-dreny ny fomba fitaizana ny ankizy manoloana ny fandraisana ny mahadomelina, saingy vitsy ireo tena maharitra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT