Mbola mihoatra ny 14 % amin’izao ireo zaza vao teraka tsy ampy lanja manerana ny Nosy, hoy ny dokotera Ranjanoro Elodie, angady nananana ilay tetikasa « bebe kangourou ».
Maro ny antony mahatonga izany toy ny harerahan’ny reny diso tafahoatra mandritra ny fotoana hitondrana vohoka, ny tebitebin-tsaina… Antony nanosika ity dokotera irayity hanitatra ireo ivontoerana bebe kangourou manerana ireo tobim-pitsaboana misy eto amintsika izay vatsian’ny Orange Solidarité fitaovana. Anisan’ny nahazo tombontsoa indray omaly ny hopitalin’ny reny sy ny zaza etsy Ambohimiandra niaraka tamin’ny CHU Andohatapenaka izay samy notokanana omaly avokoa. Anjaran’ny ao amin’ny hopitaly Sabotsy Namehana indray anio alakamisy izay hahazo io ivontoerana iray io ihany koa. Tanjona ny hampianarana ireo renim-pianakaviana rehetra ny fomba famindrana hafanana amin’ilay zaza menavava tsy ampy lanja, mandrapahafeno izay lanja ilaina aminy. Lohalaharana amin’izany ireo latsaky ny 2 kg sy 500, izay azon’ny rainy atao ihany koa ny mamindra hafanana aminy rehefa tena reraka ilay reny miaraka amin’ireo iraitampo aminy saingy tsy maintsy olona salama tsara kosa. Nomarihin’ny dokotera Ranjanoro Elodie, angady nananana ny tetikasa bebe kangourou moa fa hahavitana manangana ivontoerana iray mahazaka renim-pianakaviana miisa dimy ny vidina couveuse iray eto amin’izao. Notsipihiny ihany koa fa manana fiainam-piaraha-monina mivelatra kokoa ireo ankizy hatao bebe kangourou raha oharina amin’ireo natao tany anaty couveuse. Manohana hatrany ny tetikasa tahaka izao ny Orange Solidarité izay efa nanomboka taminny taona 2011.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.