Tranga hafahafa ! Nisy zazavavikely iray teraka tao amin’ny hopitaliben’i Sambava ny alarobia 2 septambra 2015. Sampona ilay zaza, sady tsy misy sofina no toka-maso, ary mbola mihantona ao am-bavany ihany koa ny lelany. Nivoaka ny hopitaly ny talata 8 septambra teo izy sy ny ray aman-dreniny
. Nanoro hevitra an’ireto farany ny mpitsabo mba hitondrana maika ilay zaza menavava any amin’ilay sambo hopitaly “Mercy Ships” ao Toamasina na hiakatra eto Antananarivo sao misy azo atao aminy. Ny olana anefa dia sahirana ara-pivelomana ilay fianakaviana.
Zaza fahatelo natera-dRandimby sy Be Martine ity menavava ity. Avy any amin’ny Kaominina Andrembona – Sambava no fiavian’izy ireo. Tamin'ny taona 2013 izy ireo no niteraka voalohany, fa tsy azo. Niteraka fanin-droany indray tamin’ny 2014 saingy tsy zaza no nivoaka avy ao an-kibon-dreniny fa vongan-dra mandry matevina. Tsy kivy anefa izy ireo fa naniry mafy ny mba hahazo zaza, ka dia izao niteraka izao indray tamin’ity 2015 ity nefa dia zaza toka-maso, mikatona ny ilany an-kavanana ary tsy misy sofina no tonga. Sahiran-tsaina izy mivady, hany ka na ny nanome anarana ilay zaza vao teraka aza tsy vitan’izy ireo tamin’ny talata nivoahana ny hopitaly tao Sambava io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.