Actualités

Zaza niharan’ny herisetra 126 ireo tonga nanatona ny kaominina tamin’ny 2016


  • Sabotsy 25 Febroary 2017

Nihena amin’ny ankapobeny ny isan’ireo zaza niharan’ny herisetra tonga nanatona ny ivontoerana fandraisana an-tanana vonjimaika azy ireny tantanan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny taona 2016 lasa teo.

 Raha nahatratra 142 mantsy izany ny taona 2014 dia nidina ho 126 tamin’ny taon-dasa. Ireo zaza  very na nariana amin’ny ankapobeny no tena maro an’isa amin’izy ireo, izay mahatratra hatrany amin’ny 50 isam-bolana rehefa fotoam-pialantsasatra, raha araka ny fanazavan’ny officier principal Ravaomahefa Annie. Ny polisy no mandefa ireo zaza ireo mba hokarakaraina ao amin’ny foibe ka folo andro eo ho eo no fe-potoana hitazonana azy ao hahafahana mikaroka ireo fianakaviany na ny ray aman-dreny. Misy mahatratra hatrany amin’ny telo volana anefa tsy misy maka ihany izy ireo ka ny fitsarana misahana ny zaza tsy ampy taona indray no mamoaka ordonnance hahafahana mamindra azy ireny eny anivon’ny toerana fitaizana zaza kamboty. Ankizy 15 eo ho eo no zakan’ny foibe amin’ny ankapobeny eo anelanelan’ny valo ka hatramin’ny 10 taona raha misy koa ireo nanaovan’ny olona manodidina azy fitarainana noho ny Reniny marary ohatra na kamboty tsy misy mpiahy mihitsy. Misy koa ireo zaza tsy ampy taona nampiasan’olona ary noroahiny avy eo ankoatra ireo niharan’ny herisetra mivantana. Avy amin’ny fokontany 192 eto an-drenivohitra izy ireo,  sahanina renin-jaza miisa efatra, sy mpiasa sosialy maromaro. Tonga nitsidika ity ivontoerana ity omaly ireo delegasiona avy any Burundi, hahafahany mametraka foibe tahaka izao any aminy ihany koa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT