Betsaka ireo zaza otista miriaria eny anivon’ny fiarahamonina amin’izao saingy tsy mety fantatra mazava ny isany. Antony, araka ny fanadihadiana natao dia noho ny halafosan’ny saram-pitiliana, eo ihany koa ny fanilikilihana ataon’ny fiarahamonina ka mahatonga azy ireny sy ny ray aman-dreny hisitrika.
Miisa 54 ireo zaza «autiste» tsaboina sy arahi-maso, araka ny fizaram-baovao avy amin’ireo dokotera manampahaizana mpitsabo ny aretin-tsaina sy ireo ivontoerana vitsivitsy mikarakara azy ireo. Isa izay tena lavitry ny zava-misy eto amin’ny firenena, hoy ireo fikambanana malagasy manome lanja ity aretina ity. Tsy hita eto amintsika mihitsy hatreto ny fitiliana na ny fanaraha-maso ireo zaza manana fahatarana ara-tsaina. Nankalazaina omaly alakamisy 2 aprily ny andro maneran-tany ho an’ny ôtista. “ Fantaro ny ôtista, tolory tanana ny ôtista” no lohahevitra nampitondraina ny hetsika notarihin-dRavelonarivo Josiane, vadin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta izay nisolotena ny vadin’ny filoha. Nifantoka betsaka tamin’ny fampahafantarana ny fiainan’ny zaza otista sy ny fanatsarana ny hoavin’izy ireo ny lahatenin’ny vadin’ny praiminisitra nandritra izany izay nanome toky fa hampita ny hetahetan’izy ireny any amin’ny vadin’ny filoha, asa izay mbola miandry azy ireo eny anivon’ny fiarahamonina. Ankoatra io isa tsy fantatra io moa dia mbola hanaovana fanadihadiana ihany koa amin’izao ny antony mahatonga ity toe-batana otista ity izay fantatra fa tsy aretina akory.
Pati /Ramano F
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.