Actualités

Zaza «autiste» Malagasy Mahamenatra sady vesatra ho an’ny fianakaviana


  • Zoma 03 Aprily 2015

Tsy misy fikirakirana antontanisa manokana mikasika ireo olona manana fahasembanana ara-tsaina eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny aretina «autisme» izay mpahazo ny zaza malagasy.

 

 Miisa 54 ireo zaza «autiste» tsaboina sy arahi-maso, araka ny fizaram-baovao avy amin’ireo dokotera manampahaizana mpitsabo ny aretin-tsaina sy ireo ivontoerana vitsivitsy mikarakara azy ireo. Isa izay tena lavitry ny zava-misy eto amin’ny firenena, hoy ireo fikambanana Malagasy manome lanja ity aretina ity. Tsy hita eto amintsika mihitsy hatreto ny fitiliana na ny fanaraha-maso ireo zaza manana fahatarana ara-tsaina. Zavatra iainan’ny ankizy «autiste» sy ireo fianakaviana Malagasy rahateo ny fanavakavahana eo anivon’ny fiarahamonina. Tsy mahagaga raha sady menatra ny ray aman-dreny no tratran’ny fahakiviana ihany koa satria vesatra ara-toekarena ny fitsaboana ity aretina tsy dia be mpahalala eto Madagasikara ity. Niditra tamin’ny taona fahatelo fanamarihana ny andro manerantany fampahafantarana ny «autisme» moa isika Malagasy omaly teny Anosy.

Ramano F.


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT