Actualités

Zavaboary any Atsimo Noraketina boky ny hakantony


  • Zoma 20 Novambra 2015

Namoaka boky vaovao mirakitra ireo harena voanajahary sy kanto misy any amin’ny ala maiky (alan-tsilo) any Atsimo andrefan’ny Nosy ny WWF.

 

Omaly no nampahafantaran’izy ireo tamim-pomba ofisialy ny fisian’izany izay nambaran-dRatsifandrihamanana Nanie, tale ao amin’ity ivontoerana iray ity fa toerana tena kanto tokoa, ahitana ireo karazam-biby tsy fahita raha tsy ao amin’iny faritra iny ihany hahafahana misintona sy misarika mpizahatany. Hanampy antsika amin’ny fampandrosoana ny fizahantany ny fisian’io ala maiky feno biby mivelona io, hoy hatrany izy, koa iantsoana ireo mpiara-miombon’antoka vonona ny hifanome tanana. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny tontolo iainana Ralava Beboarimisa izay nanambara fa anisan’ny fanetriben’ny toerana manana ny maha izy azy tahaka ireny ny doro tanety izay tena mahazo vahana tokoa tato ho ato arahin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tsy maintsy hisy ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny minisiteran’ny fambolena hahafahana mijery akaiky izay fomba ho enti-manarina izany, hoy izy.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT