Manana ny heviny koa ireo olon-tsotra mikasika an’iny fampihorohoroana tany Frantsa iny raha tarafina amin’ireto resadresaka fohy nifanaovana tamin’ireto olona tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana ireto.
Atoa Jean Claude (Mpanety)
“Amiko dia efa tena kolontsain’ireo Silamo mahery fihetsika mihitsy ity asam-pampihorohoroana ity ka tsy mahagaga ny fisian’ireny niseho tany Frantsa ny zoma teo ireny. Miampy karazana valifatin’ny zanatany manoloana ireo nanjanaka azy ny fihetsika ary matetika maherihery kokoa ny avy amin’ireo zanatany anglisy fahiny”.
Georges (mpianatra)
“Tena misy Malagasy faly tamin’ny toe-javatra nitranga raha tarafina amin’ny Facebook. Ho ahy aloha, amin’ny maha Kristianina ahy dia tsy tokony haneho izany fihetsika izany mihitsy ny Kristianina na inona niseho tany aloha tany na inona. Mazava kosa anefa fa tafiditra amin’ireny fihetsiky ny mpanao vy very ny ainy ireny ny resaka fanoherana ny fanjanahantany nisy taloha”.
Tahiana (mpikambana RF 2)
“Izaho dia tanora tsotra avy any Betafo Faritra Vakinankaratra saingy monina eto Iarivo ankehitriny. Izaho moa dia tsy manana Radio hohenoina ka tsy dia maharaka ny zava-misy loatra fa amin’ny maha mpikarakara fiainam-bahoaka ahy dia ny filazan’ny olona amin’ny fisian’ny fahatapahan-drano androany alakamisy 18 novambra no nahaliana ahy fa izany resaka fampihorohoroana nisy izany dia tena tsy henoko sy tsy fantatro mihitsy ny fisiany”.
SARY : Atoa Tahiana mpikambana RF 2 eny Fiadanana III L
Nangonin’i Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.