Actualités

Zava-doza Hihemotra ny Bacc ?


  • Alarobia 12 Aogositra 2015

Mba ho fitsinjovana ireo mpianatra eny amin’ny oniversite dia nandroso hevitra ny hanemorana ny fidirana eny Ankatso amin’ny volana oktobra 2015 ireo mpianatra avy ao amin’ny sampana fitantanana

 

. Amin’izay dia mba afaka mody aloha ny mpianatra mandra-piandry ny vahaolana naroson’ny fanjakana amin’ny handoavana ny volan’ny mpampianatra mpikaroka amin’io volana io. Mizarazara ny hevitry ny mpikambana ao amin’ny Seces amin’io soso-kevitra io satria misy ireo te hanao fitaovana ny mpianatra amin’ny fitakiana ataony.

Ny tena olana ihany koa dia ny mikasika ny fanadinana bakalorea amin’ny alatsinainy ho avy izao. Ny minisitry ny Fampianarana Ambony Rasoazananera Monique dia efa nanambara fa manana mpampianatra mpisolo toerana hanatanteraka ny bakalôrea raha toa ka tsy hanao ny mpampianatry ny Seces. Iretsy farany anefa dia nanamafy fa tsy hanan-danja ny diplaoma hivoaka eo raha tsy izy ireo no manao sonia eny amin’ny ivon-toeram-panadinana. Noho io toe-draharaha io dia nisy tamin’ireo mpampianatra no nandroso soso-kevitra ihany koa hoe maninona raha atao amin’ny volana oktobra 2015 ny fanadinana bakalorea ? Tsy mbola tapaka teo anivon’ny fivorian’ny Seces moa izay.

Ny an’ny minisiteran’ny Vola indray dia efa nanaiky ihany koa ny hampihatra ilay mari-karama vaovaon’ny mpampianatra mpikaroka saingy ny fandoavana ny elanelana kosa dia hotsinjaraina hatramin’ny volana oktobra ka asa raha hanaiky izany ny Seces na tsia. Ny mpianatry ny DEGS izay very fanahy mbola velona moa dia nilaza fa ny hany herin’izy ireo dia ny hanatevin-daharana ny mpianatry ny ENS eny Ampefiloha rehefa tsy ho hita ihany ny vahaolana.

Andry Ratovo 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT