Actualités

Zaridainan’Andohalo Ambohipihaonan’ny asa tanana vita Malagasy


  • Alakamisy 11 Jona 2015

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly teny amin’ny zaridainan’Andohalo, haharitra telo andro, ilay hasin-tanana 2015. Hetsika iray natao hampahafantarana sy hanomezan-danja ireo karazana asa tanana vita Malagasy karakarain’ny kaominina

 

 Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny asa tanana. Tranoheva manodidina ny 30 isa no mandray anjara amin’izany izay samy mampiranty ireo karazana asa tanana tena Malagasy toy ny akanjo vita amin’ny landy, ny poketra, ny harona vita amin’ny rofia, ny satroka, ny haingon-trano vita Malagasy miampy ny tsihy sy ireo karazana kojakoja fampiasa ao an-tokantrano. Mifanindran-dalana indrindra amin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny asa tanana izay vao nankalazaina omaly ny hetsika, notronin’ny minisitry ny asa tanana Rasamoely Brigitte. Nambaran’ity farany nandritra izany fa tena manan-danja eo amin’ny fiainan’ny firenena ny fisiana hetsika tahaka izao hahafahana manohana sy manampy ireo mpanao asa tanana.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT