Actualités

Zaridaina eny Anosy Mbola betsaka ireo asa tsy vita


  • Alarobia 14 Martsa 2018

Tsy mbola vita tanteraka amin’ny ankapobeny ny fanavaozana sy ny fanamboarana ny zaridaina etsy Anosy izay navadika ho toeram-pitsangantsanganana sy fialan’ny ankizy voly.

Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana mantsy dia mbola misy amin’ireo faritra eny an-toerana no tsy vita ny fandrakofana rarivato azy manontolo toy ny hita manoloana ireo mpanety etsy Anosy. Mbola misy amin’ireo karazana kilalao kasaina hapetraka ao ihany koa no tsy vita, raha mbola mitohy ny fambolena voninkazo sy ny fampaniriana ireo bozaka maitso. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany dia mbola mety haharitra eo amin’ny tapa-bolana eo ho eo izany fikarakarana rehetra izany. Karazana fisehosehoana fotsiny araka izany no nataon’ny fitondram-panjakana teny an-toerana ny herinandro teo nandritra ny fanokanana ity zaridaina iray ity. Tompo-marika tamin’izany Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina izay niezaka naka ny fon’ireo vehivavy sy ankizy eto an-drenivohitra nandritra ny fankalazana ny fetin’ny 8 martsa lasa teo.


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT