Actualités

Zaraniaina Tohanaina Ernest Teknisianina vonona hampandroso ny faritra


  • Talata 14 Aprily 2015

Anisan’ireo mandray anjara mavitrika amin’ny atrikasa momba ny PND eny amin’ny CCI Ivato ny filohan’ny faritra Sofia Zaraniaina Tohanaina Ernest.

 


 

Nambarany tamin’ny tafa fohy nifanaovana taminay fa manana fandaharanasa goavana momba ny fanamboaran-dalana sy fanamboarana tohadrano any amin’ny riana Andriamalandy Mandritsara izy mba hahafahana mamokatra herinaratra.Afaka mamatsy avy hatrany ny faritra Sofia sy Boeny izy ity rehefa vita ary tena hamaha ny olan’ny famatsiana herinaratra amin’ireo faritra roa ireo. Ankoatra izay dia tsy maintsy ezahana ny fampandrosoana ny fambolena, hoy ny filohan’ny faritra Sofia ary mifanindran-dalana amin’izany ny fametrahana ny filaminana sy fandriampahalemana. Anisan’ireo teknisianina vonona hitondra ny traikefany amin’ny fampandrosoana isam-paritra i Zaraniaina Tohanaina Ernest , izay efa DREN-n’ny faritra Boeny nandritra ny 12 taona, ary talen’ny kabinetran’ny minisitry ny atitany mialoha ny nanendrena azy ho filohan’ny faritra Sofia ny 11 martsa lasa teo.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT