Actualités

Zandary sy Polisy Tokony haverina ao amin’ny Atitany


  • Zoma 27 Martsa 2015

Nampieritreritra ny tenin’Atoa Mara Niarisy, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Ankazoabo.

 

Ny alarobia lasa teo teny amin’ny Antenimieram-pirenena  raha nandray fitenenana ny  tenany dia nilaza fa tena mihetraketraka no tsy manaja ny antanatohatry ny fahefana intsony ny ankamaroan’ireo manamboninahitra zandary mitantana ireny kompania ireny sy ny kaomisera mitazona ny kaomisaria eo anivon’ny distrika. Tsy manaja intsony ny fahefana ananan’ny lehiben’ny distrika izay mitarika ny fahefana mpanatanteraka eo anivon’ny distrika. Tsy lehiben’izy ireo, hono, ireny fa ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary sy ny  minisi-panjakana misahana  ny filaminana anatiny ihany no afaka mibaiko azy. Raha te-hatanjaka ity fitondran’ny Hvm ity, hoy ny depiote Mara Niarisy dia tokony haverina eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Atitany  ny zandary sy ny  polisim-pirenena. Sao dia mba izay tokoa indray no mety ho vahaolana amin’ity fomba mamohehatra ataon’ny mpitandro ny filaminana sasany itony ka mahatonga ny vahoaka tsy hametraka fitokisana amin’izy ireo intsony izay efa lasa mangidy hoditra rahateo. Dia hiverina mankany amin’ny Repoblika voalohany kanefa atao ahoana moa.

Andry  Ratovo    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT