Namaky ady amin’ireo zandary mpanotra, zandary mpanao kolikoly… ary nilaza fa tsy handefitra mihitsy amin’ireo miaramilany miana-mipiky tsy mety tonga saina sy ireo tsy manaja ny fitsipika, ny Jly Richard Ravalomanana, komandin’ny Zandarimaria.
Ny tanjona amin’izany dia ny hamerenana amin’ny maha izy azy ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena, tsy ho ratsy laza amin’ny tany ama-monina, indrindra ho fitandroana ny teny fanevan’ny zandarimariam-pirenena “Tanindrazana sy lalàna”. Izy ireo aloha, araka izany, no tokony hanaja ny lalàna voalohany.
Tsy vitsy amin’ireo natao hiaro ny olona sy ny fananany no miray tendro amin’ny jiolahy sy olon-dratsy noho ny fitiavam-bola diso tafahoatra. Toa mahazatra ny maso ny mahita zandary tsy menatra “manotra”, mitaky vola, amin’ireny lalam-pirenena ireny, indrindra amin’iny RN 7 sy RN6 iny. Fanamby lehibe ny ady amin’ny kolikoly anatiny sy ivelany amin’ity taona ity ary ho henjana ny fepetra ka tsy hisy fandeferana intsony amin’ireo mijabaka sy mihoa-pefy satria maimbon’ny tsikera sy ny fanamarihana isan-karazany, tato ho ato, ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, noho ny resaka kolikoly. Nanaitra ny hambom-pon’ny Jly Richard Ravalomanana ihany koa ny tatitry ny Bianco, izay mametraka hatrany ny zandarimariam-pirenena ho lohalaharana amin’ny fanaovana kolikoly.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.