Actualités

Zandary sy dahalo Hihamafy ny gidragidra


  • Talata 10 Janoary 2017

Hihamafy ny gidragidra ! Izay no azo ilazana ny fifandonana eo amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny dahalo mpangalatra omby manerana ny nosy amin’ity taona 2017 ity raha ampifandraisana ny tatitra avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena mikasika ny vokatra tamin’iny 2016

iny izay natao tetsy amin’ny toby Ratsimandrava omaly sy ny baikon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Paza Didier, ny faran’ny herinandro teo. Raha iverenana, nanome baiko ity manamboninahitra ity, nanoloana ny fahafatesana zandary iray vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo tany Anjozorobe, fa manomboka izao, rehefa misy zandary maty dia miara-miala any amin’ny tobiny avy ny zandary rehetra eto Antananarivo miara-mikaroka izay nahavanon-doza. Raha ny fampahafantarana omaly kosa dia avo roa heny tamin’ny taona 2015 ny zandary maty am-perinasa tamin’iny 2016 iny, izany hoe miisa 14. 541 kosa no isan’ireo dahalo maty ary 2000 ny omby tafaverina amin’ny tompony. Ahiana tsy hifampitsitsy intsony, araka izany, ireto mpifanandrina roa ireto ary eo no tokony hahamailo ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena sao tafiditra ao anatin’ny vela-pandrik’ireto dahalo ireto izay fihantsiana ny zandary handray fanapahan-kevitra an-katezerana, toy ny fanafoanana kazerina hamaliana faty dahalo voalaza teo izay, ka dia halalaka ny sehatra handravaravan’ireo dahalo tanàna satria ho variana manao haza lambo izay namono ny namany ny mpanakantsakana.


Mirija  

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT