Actualités

Zandary manampatra fahefana Tsy andeferana mihitsy, hoy ireo lehibe


  • Talata 19 Desambra 2017

Tobin’ny Zandarimariam-pirenena maromaro tao amin’ny Faritra Bongolava no notetezin’ireo tompon’andraikitra ambonin’ny Zandarimaria notarihin’ny Jeneraly Mosesy Randrianarimanana,

 

 Talen’ny Fikarohana ny fandikan-dalàna eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena sy ny Jeneraly Willy Soamaharo Rakotobe, lehiben’ny sampana miady amin’ny kolilkoly eo anivon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Tao amin’ny Kaompanian’ny zandarimaria  Fenoarivobe no nisantarana izany ka ankoatra ny famoriana ireo zandary miasa ao dia nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ireo tompôn’andraikitra manampahefana sivily any an-toerana sy ny vahoaka. Nohamafisina tamin’izany, fa tokony hiara-hiasa hatrany ny Zandarimariam-pirenena sy ny vahoaka ary ny manam-pahefana isan-tokony ho amin’ny fandriam-pahalemana. Misy ny fanadiovana efa atao eo anivon’io vondron-kery io ka ny fanomezan-tanan’ireo rafitra hafa ireo sisa no andrasana, hoy ny fanazavana. Tsy mitsitsy kosa ireo mpifehy ny zandarimariam-pirenena, hoy ireto Jeneraly ireto, raha toa ka mbola misy zandary mikiry manao tsindry hazo lena amin’ny vahoaka. Nisy ny nomerao finday maromaro no nozaraina tamin’ireo mponina mba hiantsoan ‘izy ireo avy hatrany raha misy tsy fahafaham-po na zavatra tsy mety hitan’izy ireo ataon’ny zandary.

J. Mirija


 

    

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT