Nisy ny vaovao niniana naely fa saika nifampitifitra ny FIP sy Zandary Fianarantsoa noho ny resaka omby tamin’ity volana mey ity. Misy ny fanazavana azo mikasika ny tena zava-nisy marina mikasika ny raharaha nitranga tao Fianarantsoa.
Io fanazavana io no nahalalana fa tena nisy marina ilay omby nanaovan’ny FIP Fianarantsoa fiarovana manokana araka ny fiantsoan’ireo mpividy sy tompon’ny omby, saingy tsy avy any Ikalamavony fa avy any Ihosy sy Ampanihy ary Bekily izy ireo. Nahazo taratasy ara-dalàna tamin’ny lehiben’ny distrika nialany avy ireo omby. Nanamarina izany koa ireo zandary tany amin’ny toerana nialany rehetra sy ireo zandary manao fisavana amin’ny lalam-pirenena nandalovany ihany koa. 20km tsy hidirana an’i Fianarantsoa tao amin’ny tanànan’Andremboasary anefa dia mahita ny tsy ara-dalàna sy hosoka indray ireo zandary nanao ny fisavana avy ao Fianarantsoa, ka ny sonia sy ny fitomboky ny lehiben’ny distrikan’i Bekily sy Ampanihy indray no voalaza fa hosoka sy tsy ara-dalàna. Nanamarina ny sonia sy fitomboka nataony amin’ny alalan’ny finday anefa ireo lehiben’ny distrika ireo, fa tsy nanaiky hatramin’ny farany ireto zandary ka voatery nampidirina “fourrière” ireo omby 400 hamidy. Teo no nanomboka niakatra ny feo tamin’ireo tompon’omby sy ny zandary, ka voatery nanao fanelanelanana ny FIP efa nanara-dia azy ireo izay ambaran’ireto zandary fa omby tsy ara-dalàna no alefa gejaina, fa ire ara-dalàna mba avela andeha fa omby amidy miandry mpandray izy ireo. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ireto zandary, ka araka ny vaovao “marim-pototra” azo tamin’ireo tompon’omby dia nandoa 12 tapitrisa ariary izy ireo vao nahazo nandeha na ara-dalàna avokoa ny taratasy teny amin’izy ireo momba ireo omby amidy. Vokatr’io dia mangataka ny fanaraha-mason’ireo zandary mpisava omby amin’ny lalana Fianarantsoa – Ambositra ireo mpamongady omby, fa be loatra ny “kolikoly” mahazo azy ireo. Miangavy fiaraha-miasa koa ny FIP Fianarantsoa fa fanalambaraka ny asany ny filazana azy ireo mpanara-dia omby tsy ara-dalàna…
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.