Actualités

Zandarimariam-pirenena Saro-toerana ny jeneraly Bruno Razafindrakoto


  • Alarobia 12 Mey 2010

Mety hipaka hatrany amin’ny foloalindahy ny fanovana tompon’andraikitra manana toerana ambony kasain’ny FAT hotanterahina ato ho ato. Raha ny feo mandeha hatry ny omaly izao dia mety hosoloina ny jeneraly Bruno Razafindrakoto izay komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana.

Mitovy amin’ny antony nanesorana ny jeneraly Noel Rakotonandrasana teo amin’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena no hanesorana azy dia ilay hoe : tsy nahavita ny asa tokony ho nataony aray tsy nahay nandamina ny zandarimariam-pirenena. Mety misy fifandraisany amin’ny raharaha FIGN ihany koa izany rehetra izany. Mibaribary mantsy amin’izao fotoana fa tena tsy voafehy intsony ny eny Fort Duchesne, ary sarotra ho an’ireo tompon’andraikitra ambony ny mandamina ny savorovoro ao. Anarana avy amin’ireo manamboninahitra zandary ambony, izay mbola am-perinasa amin’izao fotoana, no hisafidianana izay ho komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena ato ho ato, raha toa ka ho voailika marina ny jeneraly Bruno Wilfrid. Ity manambonihaitra ity moa dia nitantana ny FIGN tamin’ireny vanim-potoana nampamaivay ny fanoganam-panjakana ireny ary anisan’ireo niaraka nanao fanambarana tamin’ireo manamboninahitra, nilaza fa nijoro sy nandray ny andraikiny ary niandany avy hatrany tamin’i Andry Rajoelina. Rehefa tafatombina soa aman-tsara ny HAT dia notendrena ho komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena izy, ary ny jeneraly Zafera no nisolo azy eny Fort Duchesne. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT