Actualités

Zandarimariam-pirenena Nivory maika ny sampana fikarohana ny fandikan-dalŕna


  • Talata 03 Novambra 2015

Nosokafana ofisialy omaly alatsinainy 2 novambra 2015 tao amin’ny toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary ny fivorian’ny komandin’ny sampana fikarohana ny fandikan-dalŕna eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Haharitra telo andro ny fivoriana izay hanaovana jeritodika ireo asa nampanaovina sy tontosa nandritra ny taona 2014 – 2015 sy ho fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fanatontosana izany

 
. Nampatsiahivina nandritra ny fivoriana ireo andraikitra sy asa fikarohana mba hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny serasera  amin’ny alalan’ny fifanakalozana traikefa mba handinihana ireo olana sy hitadiavana vahaolana hanatsarana ny fomba fiasa sy hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly ary ho fampirisihana ny tsirairay hampitombo hatrany ny traikefa amin’ny alalan’ny fiofanana mba hanehoana ny maha matihanina. Nosintonina avy amin’izany ireo tanjona hotratrarina amin’ny taona manaraka sy ho fanatsarana bebe kokoa miohatra amin’ny efa vita.
Marihina fa ny DPJ izay foibem-pibaikoana no miandraikitra ny fampandehanan’asa amin’ireo sampandraharaha feheziny sy ireo sampam-pikarohana (SRC-GAPJ-EJ), izy koa no mandrindra sy manara-maso ny asa fikarohana eo anivon’ny zandarimaria, miantoka ny fampiofanana ireo mpanao fanadihadiana ary manome baiko sy toromarika amin’ny fanatanterahana ny asa mifandraika amin’ ny fikarohana ny fandikan-dalàna eo anivon’ny zandarimaria. Mbola izy koa no miandraikitra ny fifaneraserana sy famaritana ny politika ampiharina amin’ireo sehatr’asa sy sampan’asa hafa izay miara-miasa amin’ny fikarohana ny fandikan-dalana (Justice – Bianco - Police nationale – Samifin –Mines…).Ampahany tamin’ireo asa efa natao ny fanadihadiana natao mahakasika fanafarana sy fampidirana an-tsokosoko basim-borona miisa 360 sy bala calibre 12 sy 16 miisa 3489 tanaty Mercedes fourgon tao amin’ny serana-tsambon’i Toamasina izay nahasamborana olona 16 ka 7 no niditra am-ponja, teo koa ny  fanadihadiana mikasika ny halatra « nickel » sy « cobalt » 3 kaontenera milanja 74 taonina tao amin’ny orinasa Ambatovy ny volana oktobra 2014. Nisy koa ny fanadihadiana mahakasika halatra kodiarana miisa 198 tao Toamasina ka nahasamborana sy nampigadrana olona 4 tamin’ny volana jolay 2015 …

Ntsoavina Evariste








Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT