Actualités

Zandarimariam-pirenena Niaiky fa namoaka vaovao diso


  • Zoma 27 Martsa 2015

Voaporofo izao fa tena zandary tokoa no nidaroka ary nahafaty ilay kartie mobila tany Mananjary ny alatsinainy lasa teo. Diso ny tatitra nalefa taty aminay foibe taty Antananarivo ka izay no nahatonga anay nilaza fa ny fokonolona no nikasi-tanana ilay kartie mobila, hoy ny sampana seraseran’ny zandarimariam-pirenena omaly.

 


 

Voalaza moa fa hisy sazy henjana hahazo ity zandary nanao tatitra diso ity. Tena mba mahavariana ihany ity tandrevaka nataon’ny zandarimariam-pirenena ity, kanefa mahafantatra tsara izy ireo fa goavana ny resaka fampitam-baovao amin’ny vanim-potoana misy savorovoro tahaka ireny, koa nahoana no vaovao tsy tena voamarina tsara no tonga dia naparitaka tamin’ny filazam-baovao ? Midika ve izany fa tena tsy manamarina vaovao mihitsy ny zandarimariam-pirenena fa tonga dia mamoaka izay tatitra voarainy fotsiny ? Aza miala andraikitra e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT