Actualités

Zandarimariam-pirenena Manomboka misavorovoro


  • Alakamisy 12 Janoary 2017

Tsy milamina intsony ny mpitandro ny filaminana eto amintsika. Saika ho isan’andro ny fifamonoana etsy sy eroa, toy ny niseho tany Anjozorobe ny herinandro lasa teo, izay nahafatesana zandary iray voalaza ho mpiambina ny jeneraly iray malaza tamin’ny andron’ny tetezamita.

 

 Vao ny faran’ny herinandro teo ihany koa no nisy zandary iray maty notifirin’ny mpitandro filaminana toa azy ihany tany Mangabe Mahabo. Maro ny mpitandro filaminana maty tamin’ny fomba hafahafa toy ny Kapiteny Falihery tany Betroka roa taona lasa izay. Tsy vitan’ny maty ny tenany fa mbola novakiana ihany koa ny tranony taorian’izay. Voalaza fa mahalala tsiambaratelo momba ny asan-dahalo any Atsimon’ny nosy izy, ka izay no mety namonoana azy sy namakiana ny tranony, mba hisakanana ny filofosany amin’ny famongorana ny asan-dahalo. Misy mpanao politika avy any amin’iny toerana iny, ary akaiky ny HVM voatonona tao anatin’iny raharaha iny saingy toa nampanginina ny resaka, ka tsy nisy tohiny intsony. Variana manao politika ireo lohandohany sy ambony grady, ka lasa mifamono sy tsy voafehin’ny fitsipi-pifehezana intsony ireo zandriny aty ambany.  Manginy fotsiny ny lonilony eo amin’ny samy be galona noho ny tombo sy hala ateraky ny firehan-kevitra politika ananan’ny tsirairay. Misy ny mahazo tombondahiny, ka 52 be izao no nakarina galona ary rahampitso zoma 13 desambra no hanoloran’ny filoham-pirenena ny faneva ho azy ireo. Raikitra ny fifampialonana sy ny ankanindritsindry eo amin’ny samy be galona dia ireo mahazo avara-patana amin’ny mpitondra sy ireo toa niharan’ny fanilihana, izay samy manana ny olony avy na ny an-daniny na ny an-kilany. Tsikaritra ho efa tena vaky ny ady ary mizarazara ho ankolafy ny zandarimariam-pirenena, ka ahiana ho lasa lavitra ny fivoaran’ny raharaha atsy ho atsy.


 

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT