Actualités

Zanaray Miraindraiky Ny firaisankinan’ny Antesaka no laharam-pahamehana


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Fahombiazana ! Izay raha fehezina ny fihaonana voalohany ho an’ny taona 2018 ho an’ireo terak’Antesaka mivondrona ao anatin’ny fikambanana Zanaray Miraindraiky teny amin’ny CNaPS Vontovorona.

Nahatonga solontena avokoa ireo distrika telo avy any Atsimo Atsinanan’ny Nosy iny, dia i  Vangaindrano, Midongy ary Befotaka ary ireo Zanaray avy amin’ny faritany ivelan’Antananarivo toa an’Antsiranana sy Mahajanga. Nanafana ny lanonana i Lola izay mpanakanto avy any amin’iny faritra iny, notronin’i Vanessa ary ny artista toa an-dry Refamo Vangaindrano. Nanome voninahitra ny fotoana ireo Raiamandreny  mpitondra fanjakana  na ny teo aloha na ny ankehitriny. Omby efatra no novonoina teny Vontovorona. Nanentana ny Zanaray hijery lavidavitra kokoa  ho amin’ny fampandrosoana ny faritra iraisana fa tsy ho lany andro amin’ny fifanenjehana an-toerana fotsiny ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Atoa Rakotomila nandritra ny lahateny nataony. Ny filohan’ny fikambanana Atoa Jean Marie  kosa dia nampahafantatra ny rehetra ireo mpikambana mandrafitra ny birao izay ahitana jeneraly maromaro, tale mpitantana orinasa sy tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Nampanantena kosa ny mpikambana solontenan’ny avy any amin’ny faritany fa vonona hanamafy ny firaisankina izay voizin’ny foibe ary nisaotra manokana ny filoham-boninahitry ny fikambanana dia ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

 

 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT