Aleo tara toy izay tsy misy ! Izay no azo hanambarana ny hetsika fifampiarahabana nahatratra ny taona fanao isan-taona ho an’ny Zanaky ny distrikan’i Fandriana, Fisakàna ary ny faritra Amoron’i Mania. Hetsika faha-7 hokarakarain’ny Association Ny Aina
« Ny Agnarandray tsa afify » tarihin-dRtoa Dina Taratriniaina Rakotomalala. Fifankahitana aty an-tany fitadiavana no anton’ny lanonana miaraka amin’ireo andrarezin’ny fanafanana fety (Francis Turbo, Generation Mara, Kala Berta sy Lanto Raindimby. Havadika asa soa mivaingana homena ny kaominina any an-tanàna toy ny tetezana sy famatsiana fitaovana samihafa ao amin’ireo tobim-pahasalamana ireo vola voaangona.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.