Actualités

Zanaka pastera roa maty Hanomboka amin’izay ny fanadihadiana


  • Talata 12 Oktobra 2010

Efa mihatsara ny fahasalaman’ilay pastera mivady sy ny zanany ary ny mpanampiny. Izay ny vaovao azo omaly.

Efa nanomboka nahatsiaro sakafo aza ilay ramatoa vadin’ny pastera izay pastera ihany koa ary efa mihamatanjaka sy tsy misy atahorana intsony ny ainy. Midika izany fa efa hanomboka tsy ho ela ny fihainoan’ny zandary azy ireo mba hahafantarana izay tena marina momba iny raharaha iny. Na izany aza anefa dia efa nanomboka ny fanadihadiana ny manodidina sy izay mety mahafantatra ity fianakaviana ity. Ireo zazalahy roa izay namoy ny ainy kosa dia mbola nitohy ny fiandrasana azy ireo teny avaradrano omaly. Arahin’ny olona akaiky ity raharaha ity noho izy somary hafahafa ihany ny fipetrany. Maro mantsy ny mametra-panontaniana hoe : raha setroka ve no niakatra dia tsy mba nahavita namonjy ny ainy izy ireo na dia ny hoe namoha varavarana fotsiny aza ? Raha ny tsikatritra mantsy dia mbola nisy tsy natory ny sasany tamin’ireo olona tamin’io fotoana io. Porofon’izany ny Pastera izay mbola nanao ny fanamiana maha mpitandrina azy. Teo ihany koa ny vadiny izay mbola nifikitra baiboly mafy tamin’ny fotoana nahitan’ny olona azy ary teo ihany koa ilay mpanampy an-trano izay mbola teo ambony seza no hita. Misy, araka izany, ny lasa saina ka mitaintaina sao dia misy hifandraisany tamin’ilay fandroahana devoly izay asa farany nataon’ilay pastera tamin’iny alina ity zava-nitranga ity. Tantara mitohy… 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT