Actualités

Zanak’ikalahafa


  • Talata 08 Septambra 2015

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-dahalo any atsimo sy atsimo andrefan’ny Nosy.


 Mifampitana ny dahalo sy ny mpampandry tany ao anatin’ny hetsika “Fahalemana”. Maro ny maty. Samy Malagasy anefa ireo mifandripaka ireo. Resahina betsaka amin’izao fa efa fikomiana io miseho any atsimo io. Betsaka ny harena ankibon’ny tany noloarana tamin’iny faritra iny nefa tsy mba taratra any izany fandrosoana izany, ka tezitra ny ampahana Malagasy mitoetra any. Etsy an-kilany dia mifampitana efa ho roa volana izao ny Fanjakana sy ireo mpampianatra mpikaroka omban’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Tsy hita izay vahaolana fa herim-pamoretana indray aza no naroso. Izay ny eto, fa ireo tanora nalefa handranto fianarana any Chine dia tsy misy tokoranony ny amin’izy ireo, efa-taona izao. Toa zaran’ny Fanjakana aza angamba ireo any ivelany any mampihena ny mpigrevy eto ! Sa ve misy atao zanak’Ikalahafa eto e ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT