Saika ataoko ihany ny tsy hiteny, hoy ny andriana Alain Eddie Ravelonarivo filohan’ny fikambanana Zanadranavalona Anosimanjaka, kanefa dia aleo hambara ho ren-tany ho ren-danitra, fa io lazaina fa taom-baovao malagasy ny 21 martsa 2015 io dia tena tsy izy mihitsy, ary tsy mifanaraka amin’ny fanisana andro malagasy sy ny zavatra narahina sy nataon’ireo razambentsika taloha.
Satria io datin’ny 21 martsa 2015 io, raha ny fanisana ny andro sy ny volana ary ny taona malagasy no jerena, dia andro Alakaosy sy Volana Alakaosy. Io volana io anefa dia tsy volana voalohany amin’ny taona malagasy, fa volana faha-9. Ny volana voalohany amin’ny taona eo amin’ny Malagasy dia ny Alahamady, ary ny volana farany kosa dia ny Alohotsy. Noho izany ny andro voalohany amin’ny volana Alahamady izany no fiandohan’ny taona. Ny andro voalohany amin’ny volana Alahamady amin’ity taona Gregorianina ity dia ny 16 jolay 2015. Ary io daty io no tena Taom-baovao ho antsika Malagasy manaraka ny fomban-drazana hatramin’izay. Ny taona iray amintsika Malagasy dia misy 354 andro fa tsy mba 365 andro toy ny an'ny tandrefana izay manaraka ny kalandary gregorianina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.