Actualités

«Zama» niofo ho lehiben-dahalo Nangalatra omby 50 tao Tsianisiha


  • Talata 12 Mey 2015

Mandry andriran’antsy sy miaina ao anaty horohoro ny vahoaka any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Tsianisiha, distrikan’i Toliara II, noho ny fihoaram-pefy ataon’ireo «Zama» izay komity misahana ny fandriampahalemana ao anatin’ny fokontany natao hiaro amin’ny halatra omby sy hanohitra ireo dahalo mpanani-bohitra.

 


Lehibena andrimasom-pokonolona anankiroa mirongo basy sy kiririoka no naka an-keriny ombin’olona miisa 50, ny herinandro lasa teo. Mbola mandrahona sy mampihorohoro vahoaka eran’ny tanàna ireto «Zama» niofo ho malaso ireto. Noho ny tahotra ny horobaina sy ho faty dia tsy sahy mandeha irery intsony mponina fa tsy maintsy miaraka maromaro, satria tsy misalasala manapoaka ny basy eny an-tanany ry zalahy ireto. Raha ny  loharanom-baovao, efa nisy olon-tsotra matin’izy ireo. Manoloana ny zava-misy, mikorontana ny fiainam-bahoaka ary tsy nisy intsony ny fiambenana nataon’ireo mpikambana hafa, satria matahotra.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT