Mbola mitana ny sain’ny maro ny nahafatesan’i Zahid Hossanaly Razah, kaonsilin’i Malaisie nisy nitifitra teny Tsaralalàna ny takarivan’ny alakamisy tokony ho tamin’ny 6 ora.
Omaly ihany izy dia nalevina amin’ny maha silamo azy. Raha ny fanampim-baovao azo, dia mety hisy hifandraisany amina resaka fakana an-keriny sy valifaty no namonoana azy. Voalaza fa efa nahiahiana tamina resaka fakana an-keriny ny tenany tamin’ny taona 2010, ary efa naiditra am-ponja vonjimaika (MD) tany Fianarantsoa mihitsy tamin’izany fotoana ary nahazo fahafahana vonjimaika avy eo. Nihazo an'i Malaisie ny tenany taorian' izay ary niverina teto saingy tsy nisy tohiny intsony ny fanenjehana azy. Raha ny loharanom-baovao iray hafa ihany koa dia mbola voatonona tamina resaka fakana an-keriny ny tenany ny taona 2016. Voalaza fa nisy mpaka an-keriny tratra sy voatifitry ny polisy tamin’izany, nanontaniana izay naniraka azy ny tenany teo am-pialany aina ka nanonona ny anaran’i Zahid Razah.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.