Actualités

YALI Madagascar sy ny Green Kool Hanatanteraka asa fanadiovana faobe eto an-drenivohitra


  • Sabotsy 03 Jona 2017

Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tontolo iainana dia hanatanteraka asa fanadiovana faobe eto an-drenivohitra ny fikambanana YALI Madagascar sy ny Green Kool ny Sabotsy 10 Jona ho avy izao.

Hanomboka etsy amin'ny lapan'ny tanàna ny hetsika, raha araka ny fanazavan'ny filohan'ny fikambanana omaly, hitohy hatreny amin'ny zaridainan'Ambohijatovo. Hisy mandritra izany ny fandraofana ny fako mivangongo sy fanadiovana ireo toerana takotakona rehetra izay hiantsoan'izy ireo ny fikambanan'ny tanora sy ireo tanora tsotra tsara sitrapo rehetra. Arahina hampianarana ny mponina mikasika ny fomba fanodinana ny fako izany, raha araka ny fanazavana azo hatrany. Azo hatao tsara mantsy hoy ny fikambanana Yali ny mamadika azy ireny hanjary ho haingon-trano sy firavaka tsara tarehy ka ho an'ireo tanora izay mandray anjara amin'izany ihany ny vokatra azo. Hiarahan'izy ireo miasa miaraka amin'ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena moa ity hetsika ity ao anatin'ilay andro iantsoana azy hoe : "Global cleaning day". Ezahina hatao isaky ny roa taona ny hetsika. Nomarihin'ireto fikambanana tanora ireo moa fa tsara ireo mpandray anjara raha samy mitondra fitaovam-panadiovana avy aminy avy.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT