Nahazo ivon-toerana vaovao ny Webhelp Madagascar, orinasa laharana fahatelo any amin’ny firenena Eoropeana, havanana amin’ny fampifandraisana ny olona isan-tsokajiny amin’ny alalan’ireo karazam-pitaovana manaraka ny teknolojia avo lenta toy ny finday.
Ny taona 2013 izy no tonga voalohany teto amintsika izy ireo raha ny 22 Febroary lasa teo kosa no notokanana ny foto-drafitrasa natrehin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Hahazo tombony manokana amin’ny fisian’izao foto-drafitrasa izao isika eto an-drenivohitra, indrindra fa ireo tanora, raha araka ny fanazavan’Andriamatoa Olivier Duha; lehiben’ny vondrona. Anisan’ny hanampy ny tanora malagasy amin’ny famolahana sy ny fifehezana ny teny Frantsay mantsy ny fisian’ny ivon-toerana tahaka itony hoy hatrany izy ireo na dia efa asa aza no hatao. Tato anatin’ny telo taona izao dia fantatra fa olona manodidina ny 300 no no efa nomen’izy ireo asa ho antsika teto an-drenivohitra. Tsiahivina fa eny amin’ny Galaxy Andraharo no misy azy io, misandrahaka velaran-tany mirefy 3.000 m2, misy efitrano fandraisana fivoriana, efitrano telo fanaovana fiofanana miampy toerana fisakafoanana ho an’olona miisa 100. Mahazo fiofanana ihany koa ny mpiasa no sady miantoka ny famoahana ireo tsiambaratelon’ny olona mifandray aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.