Fomba fiasa efa tena manana ny maha izy azy sy mandeha tsara eto Madagasikara ny « Outsourcing ».
Raha fintinina dia fanomezana orinasa iray ny ampahan’asa avy amina orinasa lehibe misy any ivelany, hahafahana mahita vahaolana sy manome fahafaham-po ny mpanjifa izy io. Ny antso an-telefaonina sy resaka amin’ny alalan’ny taratasy elektronika na e-mail no tena mandeha eto ankoatry ny fanadihadiana antontan-taratasina tetikasa na antontan-taratasina fifanaraham-piaraha-miasa. Eto Madagasikara hatramin’ny taona 2013 ny orinasa Webhelp Madagascar izay mampiasa olona maherin’ny 300 ankehitriny ary miezaka hatrany mitondra ny anjara birikiny amin’ny famoronan’asa sy ny fampandrosoana ara-toekarena. Tonga nitokana ny toeram-piasana vaovaon’ny Webhelp teny amin’ny Galaxy Andraharo omaly ny filoha Hery Rajaonarimampianina, izay nidera ny fahavitrihan’ity orinasa ity satria tena ilaina tokoa izany amin’ny fampiharenan-doha ny toekarena. Mirefy 3000 m² ity toeram-piasana manarapenitry ny Webhelp Madagascar ity. Ahitana birao, toeram-pisakafoanana, toeram-pilalaovana. Misy efitrano telo fanaovana fampiofanana sy efitrano lehibe iray fivoriana. Laharana faha-3 any Eoropa amin’ny « Outsourcing » ny Webhelp, manana masoivoho any amina firenena 27 manerantany ary mampiasa olona maherin’ny 37 000.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.