Actualités

WAKE UP Madagascar Nanao hetsika tsangan-tanana teny Analakely omaly


  • Sabotsy 14 Aprily 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginana indray ireo tanora mivondrona eo anivon’ny Wake up Madagascar omaly nanao hetsika tsangan-tanana entina hanoherana ireo zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, indrindra fa ny kolikoly nitranga teny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza.

 
Teny amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely no nanatanterahan’izy ireo izany ka nanaovany antso avo fa efa diso mijaly loatra ny vahoaka Malagasy. Betsaka ireo tanora tsy an’asa hoy izy ireo, mirongatra ny tsy fandriampahalemana, betsaka ihany koa  ireo efa tsy manan-kohanina intsony nefa  diso variana amin-java-kafa  loatra ny mpitondra fanjakana fa tsy mitondra vahaolana. Ireo solombavambahoaka anefa hoy izy ireo vao manangan-tanana dia mahazo vola. Nanambara moa ny Wake up Madagascar fa tsy maintsy mijoro izy ireo hanoherana ny tsy rariny misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Narahina ny fanentanana ny olona tany an-tokantrano avy tany izany mba samy hanangana ny tanany  ho an’ireo izay mahatsapa fa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy intsony ny fiainam-pirenena. Fanindroany moa no nanaovan’ny Wake up Madagascar hetsika tahaka izao tamin’ity taona 2018 ity raha efa marobe ny talohan’izao toy ny kapoka lovia sy vilany teny Antaninarenina.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT