Actualités

Vovonan’ny tsy mialonjafy Miantso ny hisian’ny fifampidinihana an-databatra boribory


  • Sabotsy 15 Jolay 2017

Miantso ny hisian’ny fifanatonana sy ny fifampidinihana an-databatra eo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra ankehitriny ny Vovonan’ny tsy mialonjafy,

 fikambanana mijoro vonona hanelanelana ny sendikaly sy ny fanjakana ary ny mpanohitra.  Raha ny fanazavan’ny dokotera Olivier Landry Rabe, izay mpitondra tenin’izy ireo  nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly  mantsy dia ahiana ny hisian’ny  ady an-trano eto amintsika  raha  mitohy izao tranga misy izao.  Potika ny firenena, hoy hatrany izy, mitaky izay maharary azy avy ny vovonana sendikaly…mitarika hetsika isan-karazany ny mpanohitra noho izany tsy tokony hizirizy intsony ny roa tonta. Ny mpitondra tsy tokony  hanakatom-baravarana amin’ny mpanohitra ary tokony  hahay hihaino fa  tsy hanohitra be fahatany ihany koa ny mpanohitra hoy hatrany ity dokotera iray ity. Nomarihiny manokana fa vokatry ny disadisa politika misy eto amintsika avokoa no mampidangana ny vidim-piainana tahaka izao, indrindra fa ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ka tokony hitadiavan’ny fanjakana vahaolana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana asa ny tanora.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT