Actualités

Vontovorona Notifirina baomba mandatsa-dranomaso ny mpianatra


  • Talata 17 Aogositra 2010

Niverina indray ny gidragidra tetsy Vontovorona omaly raha somary nangingina kely izany teo aloha teo. Nitokona ny mpianatra eo anivon’ny polytechnique ary nanakan-dalana tetsy Alakamisy, omaly tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro.

Nisy fiantraikany tamin’ny fifamoivoizan’ny fiara mampiasa iny lalam-pirenena voalohany iny izany. Nandray ny fepetra avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana izay nanaparitaka ireo mpianatra manodidina ny 800 nanao «sit in» teo afovoan-dalana. Samy nanavotra ny ainy ireo mpianatra ka ny ankamaroany dia tany an-tanimbary no nitsoaka. «Nisy ny ratra madinidika tao anatin’izany saingy tsy nisy kosa ny voasambotra» raha araka ny fanazavan’i Tsidy, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny Vontovorona. «Fanairana ihany iny hetsika nataonay omaly iny satria mbola hitohy ny hetsika raha tsy mandray andraikitra ny ministera tomponandraikitra. Ny tanjona dia ny hiverenan’ny fampianarana eny Vontovorona, ary izahay dia tsy hanaiky raha toa ka ilay 600 ora fanampiny fotsiny no entina mampianatra eny. Tsara tsipihina fa raha tsy mbola nivaha akory ny olana momba ny fiverenan’ny fampianarana dia toa mbola nitombo koa izany rehefa tsy misy intsony ny solika tokony harotsaka amin’ny fiara mpitondra ny mpampianatra», hoy hatrany ny fanazavan’io farany. Raha tsiahivina dia nihetsika ihany koa ny mpianatra tetsy Ankatso omaly ary nametraka sakana tsy hahafahan’ny fiara mivezivezy. Nesorina ihany izany nony avy eo satria fanairana ihany araka ny filazan’ireo mpianatra no natao. Manomboka mitombina ihany izany ny eritreritry ny maro fa mety hafanafana ny eny amin’ny ambaratonga ambony amin’ity herinandro ity. «Efa tokony ho tamin’ny herinandro lasa teo aza izany saingy mba nieritreritra izahay fa handray fanapahan-kevitra alohan’izay ny ministera tomponandraikitra, araka ny efa nampanantenaina. Saingy toa kobaka am-bava fotsiny ihany izany» raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny mpianatra etsy Vontovorona hatrany.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT