Actualités

Vono sy ratra iniana hatao Mety mampigadra ka ilana fitandremana


  • Zoma 13 Aprily 2018

Betsaka ireo tranga eny anivon’ny fiarahamonina andrenesana vono sy fandratrana olona amin’izao.

 Ankoatra ny fifamaliana miafara amin’ny fanenjanan-tsandry hifanaovan’ireo olon-droa tafaraka amina toerana iray nefa tsy mifankalala akory dia misy ihany koa ireo mpinamana, mpiray tanana, mpirafilahy ary mpirafivavy mifamono. Ho an’ny fokontany Andraisoro manokana, raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny voamieran’ny fandriampahalemana ao an-toerana  dia isaky ny faran’ny herinandro no tena ahitana azy toy ny zoma hariva hanaovana ny zoma mahafinaritra sy ny faran’ny herinandro. Ireo olona misotro toaka na mandray zava-mahadomelina no tena manao izany, antony mampiakatra ny fitarainana voarainay hatrany amin’ny alatsinainy sy talata. Nomarihiny fa mety mampigadra ny fanaovana ireny vono sy ratra iniana hatao ireny raha mahazo répos medical mihoatra ny dimy andro ilay olona lasibatra. Raha vantany vao tonga mitaraina ao amin’ny Fokontany  mantsy ny olona noratraina iray, raha araka ny fanazavan’ity lehiben’ny voamieran’ny fandriampahalemana ao Andraisoro ity hatrany dia alefan’izy ireo manatona dokotera ary maka cértificat médical. Alefa any amin’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ny raharaha rehefa tena tsy voavahan’ny fokontany intsony ka ho azy ireo manokana dia efa nisy mihitsy ireo nigadra vokatr’izay vono sy ratra iniana natao izay.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT