Dimy andro aty aorian’ny nisian’ny vono olona nikararana nataon’ny djihadista tao Paris renivohitra frantsay ny alin’ny zoma 13 novambra 2015, no fantatra fa teratany Malagasy ny iray tamin’ireo 129 namoy ny ainy tamin’io zava-doza io.
Stella Verry no ahafantarana azy, 36 taona, zanak’Avaratra, saingy efa ela nipetrahana tany Frantsa. Zafikelin’i Benoît Kidza, Talen’ny kabinetra tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika tamin’ny Repoblika voalohany i Stella Verry. Mahalala io vaovao io ny eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny saingy mbola miandry fanampim-baovao ho fanamarinana. Miasa eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana i Stella Verry ; dokotera izy ary efa niaina elaela tany Frantsa saingy vao haingana no nifindra tao Paris renivohitra. Sendra tao amina toeram-pisakafoanana iray izy no nisedra ny fanafihana tampoka nataon’ireo djihadista io zoma io. Io andro io koa no nahitana azy farany, fa tsy hita popoka izy taorian’izay. Vao ny talata teo ireo mpiara-miasa aminy no nahita ny vatana mangatsiakany tamin’ireo lavo nandritra iny alin’ny 13 novambra iny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.