Tantara mitohy indray ilay vono olona nitranga tao Ialatsara, Kaominina sahanivotry Manandona ny faran’ny volana aprily teo. Raha ny fantatra dia ny jiolahy namaky trano indray no nitory ka ireo vaky trano no nigadra fa nanao fitsaram-bahoaka. Ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mponina iray tao amin’ny kaominina Sahanivotry-
Manandona nikasika ilay fahafatesana olona telo mianaka dia miahiahy ary mitady tsy hatoky ny fitsarana ny olona. Raiamandreny be iray teo an-tanàna no nanamafy fa nisy ny fanafihana narahina vaky trano ny alin’ny alahady 26 aprily 2015 tamina tanàna iray tao Sahanivotry tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Nivoaka ny tompon-trano ka fantany ireo roalahy namaky ny tranony. Niantso vonjy sy nitsoka kiririoka avy hatrany izy ka nivoaka ny fokonolona ary natao ny sakana. Tsy nody tany an-tranony izy roalahy fa nitsoaka tany Ialatsara, faritra manasaraka an’i Vakinankaratra sy Amoron’i Mania, tsy lavitra an’i Sahatorendrika. Niditra tamina tokantrano iray izy ireo, izay ny raibeny ihany. Somary anaty ala ny toerana ka dia nambenan’ ireo vatan-dahy tety ivelany izy ireo ary nandrasana ho maraina ny andro. Niangavy ny tompon-trano mba hanolotra azy roalahy ny fokonolona. Fihantsiana avy hatrany no setriny ka kibay sy langilangy no nitsenan’izy ireo ny fokonolona. Raikitra ny fifanjevoana ka novonoin’ireo vatan-dahy ireo mpangalatra sy ny nampiatrano azy. Vokany, matin’ny fokonolona ilay jiolahy iray sy ireo tompon-trano. Tafaporitsaka kosa ny iray ary nitsoaka tany Manandona ka nampandre ny dokotera sy ny zandary tao an-toerana ny talata 28 aprily. Nametraka fitoriana koa izy. Nidina tany an-toerana moa ireo mpitsabo sy ny zandary namongatra ny razana izay nalevin’ny fokonolona ka nisambotra olona 13 voarohirohy tamin’ity vono olona ity. Tetsy an-daniny dia nametraka fitoriana ihany koa ilay novakian’izy roalahy trano ka samy tao amin’ny zandary Manandona avokoa izany. Rehefa natao ny fanadihadiana dia voaporofon’ireo rehetra nosamborina fa tena ireo roalahy namaky trano no nifanenjehana tany Ialatsara, saingy rehefa tonga teny amin’ny fitsarana Antsirabe ny resaka dia nivadika ka ny vono olona indray no niampangana ireo fokonolona fa ny famakiana trano nidaboka tanteraka. Vokany, naiditra am-ponja vonjimaika miandry fitsarana ny olona niisa 5, anisan’izay ilay tompon’ny trano vaky. Ilay mpamaky trano kosa miriaria sy mandrahona ny mponina. Andrasana indray ny fanadihadiana lalina mikasika ity raharaha ity.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.