Misaona mandritra ny hateloana ny any Frantsa taorian’ny vono olona mikararana nataon’ireo mpampihorohoro, nitranga ny alin’ny zoma teo, ka nahafatesana olona maherin’ny 132, anisan’izany i Véronique de Bourgies, vehivavy frantsay mpanao asa soa eto Madagasikara.
Mihatra any Frantsa ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka, hentitra ny sivana amin’ny fidirana any taorian’iny raharaha iny.
Eto Madagasikara dia nandray fepetra avy hatrany ny manampahefana Malagasy mba hiarovana sy hampitony ny vondron’ny teratany frantsay eto an-toerana. Nisy koa ny sabotsy teo ny taratasy fiaraha-miory sy fampaherezana nalefan’ny filohan’ny Repoblika malagasy ho an-dry zareo Frantsay. Manameloka ihany koa ny asa fampihorohoroana ary maneho ny fahavononana miaraka amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hampanjakana ny fandriampahalemana.
Nisy omaly ny fanambarana nataon’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, Véronique Vouland-Aneini, maneho ny fankasitrahana an’ireo olom-pirenena eto Madagasikara tamin’ny firaisankina naseho. “Nanohina ny fonay tokoa ny marika fiaraha-miory tonga taty aminay avy amin’ny fiarahamonina Malagasy amin’ny ankapobeny, tamin’ny alalan’ireo voninkazo napetraka teo anoloan’ny Masoivoho, amin’ny alalan’ny hafatra nampitaina tamin’ny tambajotram-piarahamonina. Amin’izao vanim-potoana fisaonana izao, mameno fo be ny hetsika firaisankina nasehonareo anay. Mampiseho izany firaisantsika izany amin’ny ady amin’ny fihetsika feno habibiana, ary ny ady ho amin’ny fanajana ny mahaolona”, hoy ny fanambarana.
Hisy hetsika fiaraha-miory noho ity voina tany Frantsa ity hatao eny amin’ny trano fonenan’ny masoivoho frantsay eny Ivandry rahampitso talata 17 novambra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.