notolorana mari-boninahitra
Manasitrana, mampitraka ary manavotra fanahin’olona maro ny hira ara-pilazantsara hoy ny Ministry ny Serasera sy ny kolontsaina Atoa Gascar Fenosoa omaly tetsy amin’ny Havoria Anosy. Mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny Firenena araka izany ireo mpanankato namolavola sy namorona azy, antony nanoloran’ny Fitondrana Fanavaozana tamin’ny alalan’ity ministera iray ity mari-boninahitry ny kanto ho azy 20 mianadahy. Anisan’ny tena niavaka indrindra tamin’izany i Rambao voasokajy ho tena nahavitabe teo anivon’ity fitoriana ny filazantsara an-kira ity ka notolorana ny Commandeur de l’ordre des Arts,des lettres et de la culture. Mbola notolorana ny Chevalier de l'Ordre National, Officier de l'Ordre National ary Commandeur de l'Ordre National ihany koa i Rambao. Izy 19 mianadahy ambiny kosa samy notolorana ny mari-boninahitry ny kanto avokoa, samy nilona tao anatin’ity tontolo iray ity mihoatra ny 10 taona avokoa. Nomarihin’ny Ministra Gascar Fenosoa fa andiany voalohany izy ireo. Nanitsy ny fitondran-tenan’ny olona, nanoro ny lala-mahitsy, nampianatra izy 20 mianadahy ireo ka tena nahafaly ny Ministra tokoa. Mpiandry ny Filohan’ny Fanavaozana sy ny Praiministra hoy izy ary Kristiana ny ankamaroan’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta noho izany tena mifameno.
Pati
Legende : Nandritra ny lanonana notanterahina omaly !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.