Actualités

Vono olona mampiahiahy Lehilahy 30 taona hita faty teny an-tanimbary


  • Alakamisy 13 Aogositra 2015

Nahitana lehilahy maty tokony ho 30 tany Tsarahasina-Belazao. Olona handeha hiasa any an-tsaha no nahita lehilahy iray toa natory teny an-tanimbary.

 

 Nofohazin’izy ireo izany ka tsy nihetsika mihitsy ka niantsoan’izy ireo ny manodidina sy ny mpitandro ny filaminana. Rehefa natao ny fizahana dia fantatra fa efa tsy nisy aina intsony ilay lehilahy. Tsy nahitana ratra na hoe mangana ihany koa ny tenany. Tsy nisy nahafantatra azy ny olona rehetra nijery izany ary nambaran’izy ireo fa tsy olona avy eo amin’ny manodidina ihany koa izany. Tsy nisy ihany koa moa ny taratasy mety ho nahafantarana azy tany aminy. Ny tompon’andraikitry ny BMH Antsirabe no nitondra ny razana any amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ary hatramin’izao dia tsy mbola nisy nitonona ho tompon’ny razana izay rehetra nandalo tao.

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT