Fanindroany izao no nisian’ny vehivavy hita faty norasarasaina tao Vatofotsy Antsirabe.
Ny 30 jolay 2017 ny voalohany. Nipoitra indray ny fanindroany satria vehivavy tokony ho 35 taona indray no maty sy norasarasaina ary natao tao anaty gony niisa 4, hita faty tao amin’ny fokontany Mahafaly Vatofotsy ny alin’ny alarobia 7 febroary 2018 lasa teo. Teo amin’ny nahitana ilay voalohany ihany io, ary nitovitovy ny fomba nitetehana ireo vehivavy roa ireo. Lehilahy iray mpiasa amina toeram-pisakafoanana iray andeha hody tokony ho tamin’ny 12 ora alina, ka hiditra ilay sampanan-dalana eo amin’ny Hotel Cactus no nahatsikaritra zavatra tao anaty gony toy ny hena, ary niantso mpitandro ny filaminana teo amin’ny Jovena Vatofotsy avy hatrany. Tsy nandeha anefa io fa ny polisy manao fisafoana amin’ny alina izay nandalo no nitenenany, ka nanamarina ilay zavatra tamin’ny gony. Rehefa notatahana ireo gony miisa 4 dia akory ny hatairan’ireo nanatrika fa hay fatim-behivavy no tao anatin’ireo gony maromaro. Norasarasaina 6 ilay vehivavy vao notsinjaraina tao anatin’ireo gony. Niantso ny BMH sy ny dokotera avy hatrany ny polisy ary nitondra ny razana tany amin’ny tranom-patin’Antsirabe. Nisy ireny loko fandokoana simenitra ireny moa ireo kitapo ka tsy fantatra ny endrik’ilay ramatoa, izay mbola nitampina tamin’ny “Scotch” ny vavany. Rehefa voadio vao hita fa nisy mangana ny tarehiny. Fantatra omaly tolakandro ny havany. Avy any Andranomanelatra izy, tsy manambady, saingy manan-janaka 3 ka 14 taona no zokiny indrindra ary ao Antsirabe avaratra izy no nipetraka. Ankoatra ireo razana dia nahitana “sachet” niloko mainty nisy taratasy sy soratsoratra tao anatin’ilay gony nisy ny tongony ka resa-pitiavana sy ny manodidina ny fifohana rongony no tao anatiny ary sarisary tsy hay. Nahazo laka tato ho ato ity resaka vono olona mahatsiravina miendrika fanapahan-doha sy tongotra ity. Vao ny 24 janoary teo no nisy lehilahy notapahana loha sy tongotra aman-tanana tao Salafaina Ambodibonara Fenoarivo Atsinanana. Ny herinandro teo no nahitana faty tsy nisy lohany nasitrika tao anaty rano tao Moramanga. Tena asan-jiolahy na tsy fandriampahalemana tsotra sa efa misy ambadika hoenti-mamily saim-bahoaka ? Ny fitsaram-bahoaka ihany koa etsy andaniny manao ny ataony satria toa tsy mifampihaino intsony ny olona, fa manao izay saim-patany. Maivana ny fandraisan’andraikitra eo anatrehan’ireny, fa ny manakatona orinasa sy mandrodana trano aloha izao no laharam-pahamehana.
Caius R sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.