Nokarohana nandritra ny fotoana naharitra ireo dahalo dimy mianaka vao tratra ny faran’ny volana febroary lasa teo, izay namono tamin’ny fomba feno habibiana raim-pianakaviana iray 37 taona, manan-janaka dimy, ny antoandron’ny 22 novambra 2014. Nidoboka am-ponja afak’omaly ao amin’ny fonjaben’i Toliara izy ireo rehefa avy nandalo teny amin’ny fitsarana.
Tsiahivina, nokapain’ireo dahalo tamin’ny famaky ny lohany, avy eo notsindromina tamin’ny lefona ny hatony sy ny lamosiny. Rehefa maty dia notetehin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny sambatra, ary nomeny alika ny faty. 46 andro taorian’ny nikarohan’ny havany ny razana (ny 18 janoary lasa teo) vao hita ny ampahany tamin’ny razana voatetika sy ny taolambalony sisa tsy lanin’ny alika. Voasambotry ny mpitandro filaminana vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona tany amin’ny fokontany Miringa, kaominina ambanivohitra Beheloka, 80 km atsimon’i Toliara ireo olon-dratsy.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.