Hatairana ny an'ireo mponina tao Mangarivotra-Mahajanga raha nahita raim-pianakaviana iray efa nitsirara, nihosin-dra sady tsy nisy aina intsony
. Ny marain'ny talata 3 jaonoary tokony ho tamin'ny dimy ora no nisy niantso ny mpitandro ny filaminana ny amin'ny fisiana razana nampiahiahy teo akaikin'ny Fiangonana Jesosy Mamomnjy - Mangarivotra. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy niaraka tamin' ny mpitsabo avy ao amin' ny BMH nijery ny zava-nisy. Raha ny fizahana natao, dia teo anelanelan'ny tamin'ny 12 ora alina sy tamin'ny telo ora maraina no namonoana ity lehilahy ity ary tsatok'antsy miisa 3 tafiditra lalina teo amin' ny tratrany no nahafaty azy, ny iray izay tena nahazo ny fony. 25 taona ity lehilahy ity ary voalaza fa mpivarotra finday. Ny nahagaga ny maro, nitondra moto ity lehilahy ity nandritra ny fotoana namonoana azy saingy navelan'ireo olon-dratsy teo akaikiny ihany ilay moto fa tsy nentin'izy ireo. Tsy azy rahateo ity moto ity fa an'ny namany izay mpiara-mivarotra aminy ihany, moto izay voalaza fa hitadiavana mpividy. Efa lasan'ny fianakaviana ny razana ary efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika izao vono olona feno habibiana izao.
Vahaniaina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.