Actualités

Vono olona etsy sy eroa Miraviravy tanana ny manampahefana


  • Zoma 02 Martsa 2018

Fitsaram-bahoaka, asan-dahalo, vaky trano, fanafihana mitam-piadiana, fanendahana, hatramin’ny tontolon’ny fifamoivoizana ihany koa dia samy saika miteraka vono olona feno habibiana avokoa tato ho ato.

 
Andro vitsy monja izay no nisy ilay ramatoa nodomin’ny fiara fitateram-bahoaka tao Manakara izay nivadika ho lasa tarehimarika 8 mihitsy ny vatany ary namparikoditra ny nanatri-maso izany. Ny mahagaga anefa dia toa vitavita ho azy hatrany ny didim-pitsarana na fanapahan-kevi-pitsarana mivoaka mikasika azy ireny. Tsy nisy nitory taorian’ny 48 ora nitazomana vonjimaika azy, ohatra, ilay lehilahy nahafaty olona 7 tao Moramanga dia tafavoaka fotsiny tamin’izao.Ny olona manao fitsaram-bahoaka ary mahafaty olona ao anatin’ny segondra vitsy , telo andro aty aoriana vao hoe karohina, efa tsy hita popoka. Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitry ny manampahefana isan-tsokajiny ? Ny mampanahy dia ny hoe tsy ho taitra intsony ny maro rehefa mahita andian’olona mikapa amin’ny famaky olona iray, fa heverina fotsiny fa hoe :mpangalatra tratry io ka aleo faiziny eo e ! Miha very ny fanajana ny hasin’ny aina sy ny maha olombelona eto Madagasikara ankehitriny.Hatao inona fotsiny ny haino aman-jerim-panjakana raha tsy hanabeazana ny vahoaka, ary inona no antony tsy hamerenana haingana ny taranja fanabeazana maha olom-pirenena any an-tsekoly ? Mila tetibola be ve izany ? Ao anatin’ny 3 taona, izany hoe 36 volana ve dia tsy hita ny fepetra hentitra ho fisorohana ny resaka fitsaram-bahoaka mitranga isam-paritra io . Hita ho miraviravy tanana, tsy manana paikady mahomby hiatrehana ity loza amin’ny faty olona etsy sy eroa manerana ny nosy ity ireo manampahefana. Hita ho malemy ihany koa manoloana izany ireo fahefana ara-drazana.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT