Actualités

Vondron’ny Taxi Matihanina Vonona hiasa miaraka amin’ny CUA


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Nampahafatarina tetsy amin’ny Mon gouter Andrefanambohijanahary omaly ny fitsanganan’ny VTM na ny vondron’ny taxi matihanina, izay mankato ny fandaminan’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra na ny CUA ho fanatsarana ny tontolon’ny fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra.

Antony nananganana ny fikambanana, hoy ny filohan’ny VTM, Jeannot Randrianaharisoa, ny fahatsapana fa tena ahafahana miroso amin’ny sehatra maha matihanina tokoa ny fisian’ny Omavet eny Ampasampito. Manaraka ny toetrandro ny fitaovana hitsirihana ireo fiara. Tsy misy na dia hevitra akory hoe anilihina mivantana na an-kolaka fiara tranainy. Tsy nisy fiovana ihany koa ny vola haloa rehefa hanao fitsirihana fa nihena aza. Tsy misy fitaka hoe hiova any aoriana any izany, hoy ny fanazavana, fa efa eo am-pandrafetana ny bokin’andraikitra hiraketana ny fifanarahana rehetra ny 3 tonta dia ny CUA sy Omavet ary ireo Taxi.

Raràna raha tsy nahazo alalana

Mikasika ny filazana fa tsy azo hanaovana dokambarotra ny fiara fitateram-bahoaka moa dia novakian’ny mpitan-tsoratry ny vondrona, Hery Razafindrakoto, mazava ny voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny kaominina tamin’ny taona 2003, andininy faha 4, tsipika faha 5, izay milaza fa voarara ny mametraka dokambarotra amin’ny fiara fitateram-bahoaka raha tsy nahazo alalana manokana avy amin’ny ben’ny tanàna. Ny orinasa Publi motion, hoy ny fanazavana, anefa dia nahazo izay alalana izay ary malalaka ny safidy na hitondra ilay lanterina na tsia. Azo hajanona ihany koa izany afaka 4 volana raha tsy afa-po ireo mpitatitra.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT