Actualités

Vondron’ny Taxi Matihanina « Fotoana mahatsara ny karama izao ka aoka tsy hoelingelenina »


  • Alakamisy 07 Desambra 2017

Miezaka manazava ny sain’ireo mpisehatra TAXI namany amin’ny hanatsarana ny asa fiveloman’izy ireo ny vondron’ny taxi matihanina VTM.

Nanambara ny filohan’ity fikambanana ity Randrianarisoa Jeannot fa efa ao anatin’ny fiketrehana ny fampijoroana ny fikambanana VTM ho ara-panjakana izy ireo ankehitriny, ka efa tafapetraka any amin’ny Préfet de Police Antananarivo ny taratasy mikasika izany, izay inoana fa hivoaka tsy ho ela, araka ny dinika nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra tao. Manaraka izany, miara-dalana ny fikarakarana ny taratasy ny fandrosoan’ny asa, ka ao anatin’ny asa mangina no hanaovanay azy araka ny maha matihanina anay, hoy izy. Ao anatin’ ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny vina sy tetikasa ary fandaminana hanatsarana ny sehatr’asa taxi izahay ankehitriny. Tsy ho ela, hoy hatrany ny filohan’ny VTM Randrianarisoa Jeannot, dia hiseho miharihary ho hitan’ny besinimaro ny asa izay ataonay. Hanana ny birao fiasany ny vondron’ny Taxi matihanina ato ho ato, ny karatra maha matihanina VTM ihany koa dia efa an-dalana ny fanamboarana azy. Ny tanjona hapetrakay VTM, hoy ny filohany, dia ny fampiroboroboana ny tanàna sy ny firenena, ka izany dia ho tombontsoan’ny mpanjifa sy fampiroboroboana ny fampivelarana asa ataonay Taxi. Teny fanevan’ny VTM rahateo ny “Ny asa fivelomako dia anjara birikiko amin’ny fireneko ». Manoloana ny fikononkononana hanao fitokonana ataon’ireo Taxi ao amin’ny FTAR, dia heverinay, hoy ny filohan’ny VTM, fa “fanakorontanana ny firenena sy ny vahoaka tsy mandady harona izay efa tratry ny fahasahiranana amin’ny fiainana ankehitriny. Ka eto aho dia mitaona ny namana mpisehatra amin’ny Taxi fa fotoana izao ahafahantsika manararaotra miasa sy mitady vola amin’izao vanimpotonan’ny fety izao izay hisian’ny karama tsaratsara. Fitokonana tsy mitondra fampivoarana sy fampandrosoana izany, ka andeha hiasa, hotoherina amin’ny alalan’ny asa ny fitokonana dia hiharihary eo ireo manana hevitra tsy mampandroso ny firenena. Fotoana fiasana izao ka tsy tokony hohelingelenina ny fifamoivoizana amin’izao andro izao”. “Eto izahay dia mitaona ny mpitandro ny filaminana handray ny andraikiny manoloana ny mety ho fitokonana hibahanana ny lalana indray ankehitriny. Efa mitohana be izao ve ny lalana mbola ampiana fitokonana indray, koa raiso tompoko ny andraikitrareo amin’izany raha tsy hoe misy tsikombakomba indray angaha any ?”, hoy ihany Randrianarisoa Jeannot.


Nanambara omaly hariva delegen’ny boriboritany voalohany fa nahazo vaovao izy ireo izay milaza fa misy andian’olona mikononkonona fanakorontanana hanararaotra ny fitokonana kasain’ny FTAR atao anio.Efa nampandre ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny izahay , hoy Raharivelo Tiana Herilaza ary aoka samy ho mailo ny tsirairay.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT